|
|
|
|

Teny iditra1  Kintana mamony
Sokajin-teny  2  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  3  Haisoratra: tononkalo
Singan-teny  4  kintana, mamony
Mpanoratra  5  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo 
6  Indro indray ianao, ry lanitra,
7  ngalingaly ery fa tony.
8  Satrinay hanentona hanitra
9  'reto kintana mamony!

10  Fa baliaka dia baliaka,
11  mipendrampendrana aok'izany,
12  toa manantsika , sariaka,
13  saingy lavitra ny tany.

14  Ireo e ny voninkazo
15  nofinay ka ho azo,
16  fa dia eny no andrandraina !

17  tsy hanintsana doria!
18  Moa ny masonay tia,
19  raha hahirina hangaina ?

Nohavaozina tamin' ny 2025/05/06